<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>488</hymn_number>
<title>Na inona na inona hitranga, Jeso! FFPM488</title>
<lyrics>[V1]
 Na inona inona hitranga,
 Jeso !
 Na ny lanitra ho manga,
 Jeso !
 Na ho maloka mangina,
 Jeso !
 Dia ho feno fifaliana,
 Jeso !
 Ny fotoana dia handalo,
 Jeso !
 Fa tsy hisy hampimalo,
 Jeso !
 Raha miorina ao am-poko,
 Jeso !
 Ilay fitiavanao inoako,
 Jeso !

[V2]
 Raha jereko ny andro lasa,
 Jeso !
 Tao ny tsiky, tao ny ratra,
 Jeso !
 Nefa Hianao, Ilay
 Mpampahery,
 Jeso !
 No nambomba sy nijery,
 Jeso !
 Ny fotoana ..sns.

[V3]
 Ny ho avy antenaiko,
 Jeso !
 Mbola ho fifalian'ny saiko,
 Jeso !
 Ny hasasarako hisava
 Jeso !
 Ny harivako hazava,
 Jeso !
 Ny fotoana ..sns.</lyrics>
<author>Georges Andriamanantena</author>
</song>